Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Laharana 406 amin’ny Katesizy
Tamin’ny taonjato faha-5 indrindra no voafaritra mazava ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana momba ny fifindran’ny fahotana tamin’ny fototra, ka singanina manokana amin’izany ny herin’ny foto-pandinihan’i Md Augustin nanoherana ny "pélagianisme", ary tamin’ny taonjato faha-16, izay nanoherana ny Fanavaozana prôtestanta. Nihevitra i Pélage, fa afaka hitondra ny fiainany ara-môraly tsara ny olombelona, noho ny hery voa-Janaharin’ny sitrapony malalaka, tsy mila ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra akory ; nampihena ny fihatran’ny herin’ny hadisoan’i Adama ho toy ny oha-dratsy fotsiny izy tamin’izany. Mifanohitra amin’izany kosa ny an’ireo mpitarika voalohany ny fanavaozana prôtestanta, izay nampianatra fa ny olombelona dia ratsy hatramin’ny fotony ary nofoanan’ny fahotana tany am-piandohana ny fahafahana amam-pahalalahany ; nampitovian’izy ireo amin’ny fironana amin’ny ratsy (concupiscentia), izay tsy hay resena, ny fahotana nolovàn’ny olombelona tsirairay. Namoaka fanapahan-kevitra manokana ny Fiangonana, tamin’ny Kônsily faharoa tao Orange tamin’ny 529[310] sy tamin’ny Kônsilin’i Trente tamin’ny 1546[311], ny amin’ny fahalalana vokatry ny fandinihana naseho momba ny fahotana tamin’ny fototra.