Ny fahotana tamin’ny fototra – votoatim-pahamarinana tsy azo avela amin’ny finoana
Laharana 388 amin’ny Katesizy
Niaraka tamin’ny fandrosoan’ny Fanambaràna no nihanazava koa ny fisian’ny fahotana. Ny Vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Testamenta Taloha, na dia niteny momba ny fangirifiriana avy amin’ny toe-piainan’ny olombelona aza, araka ny tantaran’ny fahalavoana notantaraina ao amin’ny Jenezy, dia tsy afaka nahatakatra ny hevitra fara tampon’io tantara io, izay tamin’ny Fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa-Kristy ho velona irery vao niharihary[276]. Ilaina ny mahalala an’i Kristy ho loharanom-pahasoavana mba hanekena an’i Adama ho loharanom-pahotana. Ny Fanahy-Parakleto, nirahin’i Kristy nitsangan-ko velona, no tonga “handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana” (Jo 16,8) amin’ny fanambaràna an’Ilay izay Mpanavotra amin’izany.