V. Manatanteraka ny fandaharany Andriamanitra : ny fitahian’ Andriamanitra

Laharana 305 amin’ny Katesizy

I Jesoa dia mangataka ny fitokian-janaka amin’ny fitahian’ny Ray any an-danitra, izay mikarakara hatramin’ny zavatra kely ilain’ny zanany : “Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe : inona no hohaninay ? inona no hosotroinay ? (…). Fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo avokoa izany. Koa katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra  sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny” (Mt 6,31-33)[157].

Loharano ôfisialy ↗