IV. “Izay any an-danitra”

Laharana 2796 amin’ny Katesizy

Rahefa manao ny vavaka “Rainay any an-danitra” ny Fiangonana, dia miaiky izy fa isika no Vahoakan’Andriamanitra efa mipetraka any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa[50], miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra[51], sady koa misento “ao anatin’ity tranolay ity, fa maniry mafy ny hitafy ilay tranontsika, dia ilay trano avy any an-danitra” (2 Kôr 5,2)[52] :

Mitafy nofo ny kristianina, nefa tsy mivelona araka ny nofo. Mihelina ihany ny fiainan’izy ireo ety an-tany, satria olon’ny lanitra izy ireo[53].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗