III. Ny vavaka am-po
Laharana 2717 amin’ny Katesizy
Ny vavaka am-po dia fanginana, ilay “fanehoana an’ohatra an’izao tontolo izao hoavy”[14] na “fitiavana amim-panginana”[15]. Tsy toy ny kabary ny teny amin’ny vavaka am-po, fa toy ny tapa-drantsankazo izay mampirehitra ny afom-pitiavana. Amin’izany fanginana izany, izay tsy zakan’ny olona “ivelany fotsiny”, no ilazan’ny Ray amintsika ny Teniny tonga nofo, nijaly, maty ary nitsangan-ko velona, sy ampandraisan’ny Fanahy maha-zanaka anjara antsika amin’ny vavak’i Jesoa.