I. Ny vavaka am-bava
Laharana 2700 amin’ny Katesizy
Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no miteny amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny teny izany, an-tsaina na am-bava, no iforonan’ny fivavahantsika. Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatrehan’ny fo an’ Ilay izay iresahantsika amin’ny vavaka. “Miankina amin’ny hafanam-pon’ny tenantsika, fa tsy amin’ny hamaroan’ny teny, no ihainoana ny vavaka ataontsika”[2].