Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana

Laharana 2691 amin’ny Katesizy

Ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina. Ny fifidianana toerana mety sy tsara dia tsy azo atao tsinontsinona amin’ny fahitsian’ny fivavahana :

- ho an’ny fivavahana irery, dia azo anaovana izany ny “efi-trano kely mangina”, miaraka amin’ny Soratra Masina sy ny sarimasina, mba ho  “ao, amin’ny mangingina” eo anoloan’ny Raintsika izany[40]. Ao an-tokantrano kristianina, io karazana efi-trano kely fivavahana io dia tsara anaovana vavaka iombonana ;
- eo amin’ny faritany misy tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny fiantsoana ho amin’ireny fikambanana ireny dia ny mampandroso ny fifampizaràna amin’ny vavaka isan’Andro miaraka amin’ny mpino, ary ny mamela hitokana mangina ilaina amin’ny fivavahana irery mafimafy kokoa[41].
- ireo fivahiniana masina no mamohafoha ao an-tsaina ny diantsika ety an-tany ho any an-danitra. Izy ireny araka ny lovam-panahy no fotoan-dehibe fihavaozana amin’ny vavaka. Ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ho an’ny mpanao fivahiniana masina eo am-pitadiavana loharano velona ho azy ireo, no toerana manokana mba hiainana “ao amin’ny Fiangonana” an’ireo fomba amin’ny fivavahana kristianina.

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗