Ny mpanompon’ny fivavahana
Laharana 2688 amin’ny Katesizy
Ny katesezy ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, dia mikendry mba ny Tenin’Andriamanitra no hodinihana amin’ny vavaka atao irery, hampiharina amin’ny fiainana ankehitriny amin’ny fivavahana litorzika, ary hotanana ao anaty mandrakariva, mba hiterahany voka-tsoa ao anatin’ny fiainam-baovao. Ny katesezy koa dia fotoana izay tokony handanjalanjana sy hanabeazana ny fitiavam-bavaky ny vahoaka[37]. Ny fanaovana tsianjery ny fivavahana fototra no manome tohana ilaina amin’ny fiainam-bavaka, kanefa zava-dehibe ny mampahazo tsirony amin’ny fahalalana izany[38].