III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana
Laharana 2482 amin’ny Katesizy
“Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana”[91]. Ampahafantarin’ny Tompo fa tsanganasan-devoly ny lainga : “Ny devoly no ray niavinareo (...) tsy misy marina ao aminy : rahefa milaza ny laingany izy, dia miteny izany araka ny toetrany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy” (Jo 8,44).