IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Laharana 2436 amin’ny Katesizy

Tsy rariny ny tsy mandoa ny latsakemboka naraikitry ny manam-pahefana ara-dalàna haloa amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanampiana ara-tsôsialy.

Ny fanesorana amin’ny asa noho ny tsy fisian’asa dia saika mandrakariva, ho an’izay iharan’izany, fanazimbàna ny haja amam-boninahiny sy loza mitatao ho an’ny filaminam-piainana. Ankoatra ny fahavoazana miantraika amin’ny tenany, dia maro be ny loza mety hitranga vokatr’izany ho an’ny tokantranony[38].

Loharano ôfisialy ↗