IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina
Laharana 2430 amin’ny Katesizy
Ny fiainana ara-piharian-karena dia miampanga ny tombon-tsoa samihafa tadiaviny, izay matetika mifanohitra izy ireo samy izy ireo. Mazava amin’izany ny fipoitran’ny fifanoherana izay mampibaribary ny fiainana ara-piharian-karena[31]. Hezahina ny hampihena ireo fifanoherana ireo amin’ny alalan’ny fifampiraharahana izay manaja ny zo sy adidin’ny solontena isam-pikambanana : ny tompon’andraikitra ny orinasa, ny solontenan’ny mpiasa, ohatra ny fivondronana ara-tsendikaly, ary, amin’ny fotoana ilàna azy, ny fanjakana.