II. Ny fanajana ny olona sy ny fananan’izy ireo

Laharana 2407 amin’ny Katesizy

Amin’ny lafiny fiharian-karena, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona dia mitaky ny fanatanterahana ny herim-panahy fahalalana onony, mba hampihenana ny firaiketam-po amin’ny haren’izao tontolo izao; ny herim-panahy fahamarinana, mba hiarovana ny zon’ny namana sy hanomezana azy izay tokony hefaina aminy ; ary ny firaisan-kina, araka ny fitsipika volamena sy araka ny fahalalahan-tanan’ny Tompo izay na dia manankarena aza, dia nanaiky ho mahantra mba hampanankarena antsika avy amin’ny fahantrany[5].

Loharano ôfisialy ↗