I. Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny anjara fananana ho an’ny tena manokana
Laharana 2404 amin’ny Katesizy
“Ny olombelona, amin’ny fampiasany ny zavatra izay azy ara-dalàna, dia tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an’izany ho toy ny an’ny tenany irery ihany, fa hihevitra azy koa ho toy ny iombonana, izany hoe : azo anasoavana ny hafa koa, fa tsy ho an’ny tenany irery”[3]. Ny maha-tompom-pananana dia mahatonga ny mpanana azy ho mpitantan-draharahan’ Andriamanitra Mpiahy mba hampamokatra izany sy hampita ny voka-tsoa ho an’ny hafa, ka amin’ny havany akaiky aloha.