Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana
Laharana 2391 amin’ny Katesizy
Betsaka ankehitriny no mitaky karazana “zo amin’ny fizahan-toetra” eo amin’izay manam-pikasana hivady. Na ahoana na ahoana ny hamafin’ny fikasan’izy ireo izay mifanaiky ao anatin’ny firaisana ara-nofo alohan’ny fotoana, “dia tsy afaka hiantoka ao anatin’ny fahitsian-toetra sy ny tsy fivadihana eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy izany fikasan’izy ireo izany, ary indrindra tsy afaka hiaro izany amin’ny haitraitra sy ny aingintraingitra”[61]. Tsy ara-dalàna ara-pitsipi-pitondran-tena ny firaisana ara-nofo raha tsy voatsangana ny fiombonam-piainana mandra-maty eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy mahatanty “fanandramana” ny fifankatiavan’ny olombelona amin’ny firaisana ara-nofo. Satria, fifanoloran-tena manontolo sy mandra-maty eo amin’izy ireo no takìn’io fifankatiavana io[62].
FAMINTINANA