Ny fiterahana amin’ny fanambadiana
Laharana 2367 amin’ny Katesizy
Noho ny mpivady voantso hiteraka, dia mandray anjara amin’ny fahefan’ny mpahary sy amin’ny maha-Raiamandreny an’ Andriamanitra izy ireo[33]. “Amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo hampita ny aina sy ho mpanabe (izay anton-draharahany manokana mihitsy), dia tokony ho fantatry ny mpivady fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra Mpahary izy ireo sy toy ny mpitondra ny teniny. Koa tsy maintsy manefa ny adidiny àry izy ireo amin’ny fiandraiketana tanteraka ny maha-olona sy ny maha-kristianina”[34].