Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

Laharana 2344 amin’ny Katesizy

Ny fahadiovam-pitiavana no mampiseho ny lahasa ambony dia ambony an’ny tsirairay, sady mitarika ho amin’ny ezaka ara-kolontsaina koa, satria “mifampiankina ny fandrosoan’ny olona tsirairay sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina amin’ny maha-fiaraha-monina azy”[13]. Mitaky fanajana ny zon’ny olona ny fahadiovam-pitiavana, indrindra ny zo hahazo fampahalalam-baovao sy fanabeazana, izay manaja ny ara-môraly sy ny ara-panahy amin’ny fiainan’ny olombelona.

Loharano ôfisialy ↗