Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

Laharana 2338 amin’ny Katesizy

Ny olona madio fitiavana dia mampaharitra ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny herin’aina sy ny herim-pitiavana napetraka ao aminy. Io fahadiovan-toetra tsy misy tomika io no miantoka ny maha-iray tsy mivaky ny olona, sy manohitra ny fihetsika amam-pitondran-tena rehetra izay mety hanafintohina azy. Tsy zakan’ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika, ny fihatsarambelatsihy na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny[7].

Loharano ôfisialy ↗