I. “Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo…”
Laharana 2334 amin’ny Katesizy
“Raha vao nahary ny olombelona ho lehilahy sy ho vehivavy Andriamanitra, dia efa nomeny fahamendrehana mitovy izy tsirairay avy na ny lehilahy na ny vehivavy”[3]. “Olona ny olombelona ary mitovy ny hasin’ny maha-olona azy na ny an’ny lehilahy na ny an’ny vehivavy, satria noarìna mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra-Olona izy roa”[4].