Misoroka ny ady
Laharana 2309 amin’ny Katesizy
Tsy maintsy dinihana mazava tsara ny fepetra mafy amin’ny fiarovan-tena eken’ny lalàna amin’ny alalan’ny hery ara-tafika. Ny halehiben’ny fanapahan-kevitra toy izany dia mampanaiky izany amin’ny fepetra henjana amin’ny fahamarinana ara-môraly. Tsy maintsy ho toy izao avy izany
- maharitra, lehibe ary tsy misy isalasalana ny fahavoazana nanafaizan’ny mpamely ny firenena na ny firaisambem-pirenena ;
- miharihary fa tsy mety vita na tsy mahomby ny fomba amam-pitaovana hafa rehetra nampitsaharana izany ;
- voangona ny fepetra matotra azo antoka fa hahomby ;
- tsy hiteraka fahavoazana sy korontana mety hamohehatra kokoa noho ilay ratsy tiana ho foanana ny fampiasana fitaovam-piadiana. Mitambesatra tokoa amin’ny fankasitrahana izany fepetra izany ny herin’ny fitaovana môderina famotehana.
Ireo no singafototra fanao fahizay notanisaina tamin’ny fitambaram-pampianarana antsoina hoe : “ady ara-drariny”.
Anjaran’izay miandraikitra ny soa iombonana no mandanjalanja amim-pahendrena ny fankasitrahana ireo fepetran’ny fahamarinana ara-môraly ireo.