Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena
Laharana 2236 amin’ny Katesizy
Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizaràna amim-pahendrena, ka hihevitra ny zavatra ilaina sy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay, mba ho amin’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Ho tandreman’izy ireo ny fitsipika sy ny fepetra raisin’izy ireo, mba tsy hahatonga fakam-panahy hampifanohitra ny tombon-tsoan’ny tsirairay amin’ny an’ny fiombonambe[24].