Adidin’ny zanaka

Laharana 2216 amin’ny Katesizy

Miseho amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanekena tena izy ny fanajan’ ny zanaka ny ray aman-dreny. “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao (...).  Hitarika anao amin’izay halehanao ireny ; hiambina anao amin’ny torimasonao ireny ; hiresaka aminao amin’ ny fifohazanao ireny” (Ohab 6,20.22). “Ny zanaka hendry vavolombelon’ ny fampianaran-drainy, fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana” (Ohab 13,1).

Loharano ôfisialy ↗