Adidin’ny zanaka
Laharana 2214 amin’ny Katesizy
Ny maha-Ray an’Andriamanitra no loharanon’ny maha-ray aman-dreny ny olombelona[10] ; amin’izany no iorenan’ny haja amam-boninahitry ny ray aman-dreny. Ny fanajan’ny zanaka na kely izy na lehibe, ny rain’izy ireo sy renin’izy ireo[11], no itaizany ny tenany amin’ny firaiketam-pitia voa-Janahary nateraky ny rohim-pihavanana izay mampiray azy ireo. Takìn’ny didin’ Andriamanitra izany[12].