I. Masina ny Anaran’ny Tompo

Laharana 2147 amin’ny Katesizy

Ireo fampanantenana atao amin’ny hafa amin’ny Anaran’ Andriamanitra dia mametraka ho antoka ny hajan’Andriamanitra, ny tsy fivadihany, ny hamarinany ary ny fahefany amin’ny fanatanterahana izany. Tokony hajaina amim-pahamarinana ireny. Ny mivadika amin’izany, dia manararao-dratsy ny fampiasana ny Anaran’ Andriamanitra, izany hoe manao an’Andriamanitra ho mpandainga[71].

Loharano ôfisialy ↗