Ny faniratsiram-pivavahana

Laharana 2119 amin’ny Katesizy

Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra, dia ny fitsapan-toetra ny hatsaram-pony sy ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, amin’ny teny  na amin’ ny atao. Tahaka izany no nirìn’i Satàna ho azo avy amin’i Jesoa hitsambikina avy eny an-Tempoly, sy hanery an’Andriamanitra hiasa amin’io fihetsika io[45]. Notoherin’i Jesoa izy tamin’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao” (Det 6,16). Ny fihantsiana raketin’ny fakàna fanahy an’Andriamanitra toy izany no manimba ny fanajana sy ny fitokiana tokony ataontsika amin’ny Mpahary antsika sy Tompontsika. Mampiditra lalandava ny fisalasalana ny amin’ny fitiavany, ny fitahiany ary ny heriny izany[46].

Loharano ôfisialy ↗