Ny fanompoan-tsampy
Laharana 2112 amin’ny Katesizy
Melohin’ny didy voalohany ny finoana an’andriamanitra maro. Takìny mba tsy hino andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra ny olona, mba tsy hanasina andriamanitra tsy izy hafa afa-tsy ilay Tokana. Ny Soratra Masina dia mampahatsiahy lalandava io fandavana ny “sampy, volamena sy volafotsy, asan-tanan’olombelona” io, izy ireny izay “manam-bava nefa tsy miteny, mana-maso nefa tsy mahita”... Tsy mahasoa kely akory ireny sampy tsinontsinona ireny : “Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy !” (Sal 115,4-5.8)[39]. Andriamanitra, hafa lavitra noho izany kosa, no ilay “Andriamanitra velona” (Jôs 3,10)[40], izay mamelona sy mirotsaka eo amin’ny tantara.