« Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo »
Laharana 2083 amin’ny Katesizy
Nofintinin’i Jesoa amin’ity teny ity ireo adidin’ny olombelona amin’ Andriamanitra : “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo ianao” (Mt 22,37)[1]. Io teny io moa dia mamerina izao dia izao avy hatrany ilay antso manetriketrika hoe : “Mihainoa, ry Israely : ny Tompo Andriamanitsika no ilay tokana” (Det 6,4).
Andriamanitra no tia voalohany. Tsahivina ao amin’ny voalohany amin’ireo “teny folo” ny fitiavan’ilay Andriamanitra Tokana. Avy eo ireo didy no mampibaribary ny valim-pitiavana fa voantso hanome izany amin’ilay Andriamaniny ny olombelona.
Izaho no Tompo, Andriamanitrao, izay namoaka anao tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny trano fanandevozana. Tsy hanana andriamanitra hafa afa-tsy Izaho ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra na dia iray akory aza ianao ho an’ny tenanao, na sary fampisehoana zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny ety amin’ny tany ambany, na ny ao anaty rano ambamin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anoloan’ireny sary ireny ianao na hanompo azy ireny (Eks 20,2-5)[2].
Voasoratra hoe : “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Mt 4,10).