Ny Didy folo ao amin’ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana
Laharana 2068 amin’ny Katesizy
Mampianatra ny Kônsily tao Trente fa mandidy ny kristianina ireo didy folo ary mbola voadidy hitandrina an’ireo ny olona nohamarinina[18]. Ary manantitrantitra izany ny Kônsily Vatikana II hoe : “Ny Eveka, dimbin’ny apôstôly, dia nandray tamin’ny Tompo (…) ny fanirahana hampianatra ny firenena rehetra sy hitory ny Evanjely amin’ny voary manontolo, mba hahazoan’ny olona rehetra ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana, ny Batemy ary ny fantanterahana ireo didy”[19].