I. Fiainana ara-môraly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana

Laharana 2034 amin’ny Katesizy

Ny Evekan’i Rôma sy ny Eveka rehetra, amin’ny maha- “mpampianatra marina azy ireo, nomena ny fahefan’i Kristy, dia mitory amin’ireo vahoaka nankinina amin’izy ireo ny finoana izay tsy maintsy ekena sy ampiharina eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena”[76]. Ny Fahefa-mampianatra andavanandro sy manerana ny tany tontolo ataon’ny Papa sy ireo Eveka miombona aminy no mampianatra amin’ny mpino ny marina inoana, ny fitiavana tanterahina, ny hasambarana antenaina.

Loharano ôfisialy ↗