I. Fiainana ara-môraly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana

Laharana 2032 amin’ny Katesizy

Ny Fiangonana, “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia “nandray avy amin’ny apôstôly ny didy malaza navelan’i Kristy ny amin’ny hanambaràna ny marina mahavonjy”[74]. “Adidin’ny Fiangonana ny manambara amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny fitsipika fototra ara-môraly, na dia izay mahakasika ny fitsipi-pifehezan’ny fiaraha-monina aza, ary koa ny mamoaka didim-pitsaràna eo amin’ny zavatra rehetra momba ny olombelona, arakaraka izay takìn’ny zo fototry ny olombelona sy ny famonjena ny fanahy”[75].

Loharano ôfisialy ↗