III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely

Laharana 1970 amin’ny Katesizy

Ny Lalàn’ny Evanjely dia misy safidy hentitra eo amin’ny “lalana roa”[27] sy ny fampiharana ny tenin’ny Tompo[28] ; fintininy amin’ny fitsipika volamena izany : “Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany” (Mt 7,12)[29].

Ny “didy vaovao ” an’i Jesoa[30] no ifaharan’ny Lalàn’ny Evanjely manontolo, dia ny ifankatiavantsika tahaka ny itiavany antsika[31].

Loharano ôfisialy ↗