Ny Sembolin’ny finoana
Laharana 192 amin’ny Katesizy
Maro ny fiekem-pinoana na sembolin’ny finoana teny am-pamakivakiana ny taonjato nifandimby teny, ho fanomezam-baliny ny filana tamin’ny fotoan-tsamihafa : ny sembolin’ny Fiangonana apôstôlika sy tranainy samihafa[7], ny Semboly “Quicumque”, antsoina hoe Sembolin’i Md Athanase[8], ny fiekem-pinoana avy amin’ny Kônsily sasantsasany (Tolède[9]; Latran[10]; Lyon[11]; Trente[12]) na avy amin’ny Papa sasantsasany, tahaka izany ny “Fides Damasi”[13] na ny “Fiekem-pinoan’ny Vahoakan’Andriamanitra” [SPF] nataon’i Paoly VI (1968)[14].