II. Ny soa iombonana
Laharana 1906 amin’ny Katesizy
Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa”[27]. Mahasoa ny fiainan’ny rehetra ny soa iombonana. Mitaky fahamalinana avy amin’ny tsirairay izy, fa indrindra avy amin’ireo izay misahana fahefana mifehy. Misy singafototra telo tsy azo avela aminy :