II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Laharana 1887 amin’ny Katesizy
Ny fampifoterana ny fomba amam-pitaovana amin’ny tanjona kendrena[10], izay miafara amin’ny fanomezan-danja ho tanjom-piafaràna an’izay fomba amam-pitaovana fotsiny ahatongavana amin’izany, na amin’ny fiheverana ny olona ho toy ny fitaovana tsotr’izao hahatratrarana ny zava-kendrena, dia miteraka rafitra tsy ara-drariny, “mahatonga ny fitondran-tena kristianina ho mafy sy sarotra tanterahina an’asa, amin’ny fampifanarahana izany amin’ny didin’ilay Andriamanitra Mpanao lalàna”[11].