IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika

Laharana 1855 amin’ny Katesizy

Ny fahotana mahafaty no mandrava ny fitiavana ao am-pon’ny olombelona amin’ny fandikana mafy tokoa ny Lalànan’Andriamanitra ; izy no mampihodina ny olombelona hanalavitra an’Andriamanitra, izay tanjom-piafaràny sy hasambarany, amin’ny safidy ho tia bebe kokoa ny soa ambany noho Izy.

Ny fahotana madinika kosa, na mampaharitra ihany ny fitiavana aza, dia manala baraka azy sy mandratra azy.

Loharano ôfisialy ↗