II. Ny famaritana ny fahotana
Laharana 1849 amin’ny Katesizy
Ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny kônsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny toetra maha-olombelona ny fahotana ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona. Nofaritana hoe: “teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay”[29] ny fahotana.