IV. Ny fitsaràna diso

Laharana 1791 amin’ny Katesizy

Izany tsy fahalalana izany matetika dia azo lazaina ho avy amin’ny andraikitry ny tena ihany. Mety ho tonga amin’izany, “raha toa ny olona tsy rototra hitady ny marina sy ny tsara, ary raha toa ny fahazarana amin’ ny fahotana no mahatonga tsikelikely ny kônsiansiny madiva ho jamba”[73]. Amin’ny sehon-javatra toy ireny, ny ratsy ataon’ny olombelona  ihany no mahameloka azy.

Loharano ôfisialy ↗