I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena

Laharana 1750 amin’ny Katesizy

Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona dia miankina :
- amin’ny zavatra nofidìna atao ;
- amin’ny tanjona nokendrena na amin’ny fikasana ;
- amin’ny toe-javatra isehoan’ny asa.

Ny zavatra nofidìna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho no mamorona ireo “loharano”, na singafototra iorenan’ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona.

Loharano ôfisialy ↗