Ny olombelona endrik’Andriamanitra

Laharana 1701 amin’ny Katesizy

“I Kristy, amin’ny fanambaràna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy”[18]. Ao amin’i Kristy, “endrik’Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15)[19] izany, no nahariana ny olombelona “mitovy endrika sy mifanahaka” amin’ny Mpahary. Ao amin’i Kristy, mpanavotra sy mpamonjy izany, ny endrik’ Andriamanitra, simban’ny fahotana voalohany tao amin’ny olombelona, no navaozina amin’ny hatsarany tany am-piandohana sy nasandratra ho mendrika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra[20].

Loharano ôfisialy ↗