Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
Laharana 1620 amin’ny Katesizy
Ireo roa ireo, izany hoe ny sakramentan’ny Fanambadiana sy ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia avy amin’ny Tenan’Izy Tompo mihitsy. Izy no mampisy heviny an’ireo sy manome an’ireo ny fahasoavana ilaina mba hivelomana izany araka ny sitrapony[131]. Tsy azo sarahina sady mifanampy ny fankamamiana ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra[132] sy ny hevitra kristianina momba ny fanambadiana :
Ny manazimba ny fanambadiana, dia mampihena miaraka amin’izay koa ny haja amam-boninahitry ny fanokanan-tena ho virjiny ; ny midera azy kosa, dia mampitombo ny haja amam-boninahitra izay sahaza ny fanokanan-tena ho virjiny. (…) Fa rahefa ela ny ela, izay hita fa tsy tsara raha tsy ampitahaina amin’ny ratsy, dia mety ho tsy ny tena tsara ; izay hita kosa fa mbola tsara kokoa raha ampitahaina amin’ny efa tsara tsy azo lavina, izay no tena tsara indrindra[133].