Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo

Laharana 1617 amin’ny Katesizy

Ny fiainana kristianina manontolo no mitondra ny mariky ny fifankatiavan’ny maha-mpivady ao amin’i Kristy sy ny Fiangonana. Amin’ny Batemy, izay fidirana ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia efa misy misterim-panambadiana : izy, raha azo lazaina, no fandroam-panambadiana[124] izay mialohan’ny sakafom-panambadiana, dia ny Eokaristia izany. Ny fanambadiana kristianina kosa avy eo dia manjary famantarana mandaitra, sakramentan’ny fifaneken’i Kristy sy ny Fiangonana. Satria ny fanambadiana kristianina no manambara sy mampahazo ny fahasoavana, koa tena sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao marina tokoa ny fanambadian’ny samy vita batemy[125].

Loharano ôfisialy ↗