Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny Lalàna
Laharana 1609 amin’ny Katesizy
Amin’ny famindram-pony, tsy nandao ny olombelona mpanota Andriamanitra. Ny sazy izay manjohy ny fahotana, ny fanaintainam-piterahana[113], ny asa “amin’ny hatsembohan’ny tavanao” (Jen 3,19), dia mitambatra koa ho fanafody izay mametra ny vokatry ny fahotana. Taorian’ny fahalavoana, ny fanambadiana dia manampy handresy ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitadiavana fahafinaretan’ny tena irery, ka hisokatra amin’ny hafa, amin’ny fifanampiana, amin’ny fanoloran-tena.