Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra - mpiara-miasa amin’ny Eveka

Laharana 1563 amin’ny Katesizy

“Ny anjara raharahan’ny Pretra, noho io miray amin’ny Laharan’ny maha-eveka, dia mahazo anjara amin’ny fahefana izay ny Tenan’i Kristy mihitsy no manorina, manamasina ary mitondra ny Vatany, amin’ny alalan’izany. Noho izany, na miorina amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina aza ny maha-mpisorona ny Pretra, dia misy sakramenta hafa mampisy marika manokana azy ireo sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy-Mpisorona, amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina, mba hahatonga azy ireo ho afaka miasa amin’ny anaran’ny Tenan’Izy Kristy-Filoha mihitsy”[45].

Loharano ôfisialy ↗