IV. Ny vokatry ny fankalazana amin’ity sakramenta ity

Laharana 1521 amin’ny Katesizy

Fiombonana amin’ny fijalian’i Kristy. Mahazo ny hery sy ny fanomezana hiombona lalindalina kokoa amin’ny fijalian’i Kristy ny marary, amin’ ny fahasoavan’ity sakramenta ity : azo lazaina tsy amim-pisalasalana fa voamasina izy mba hamokatra noho ny fanahafana ny fijaliam-panavotan’ny Mpamonjy. Mahazo hevitra vaovao ny fijaliana, izay takaitra navelan’ny fahotana tamin’ny fototra : manjary fandraisana anjara amin’ny tsanganasam-pamonjen’i Jesoa izany.

Loharano ôfisialy ↗