Ny fizotran’ny fankalazana

Laharana 1351 amin’ny Katesizy

Hatrany am-piandohana, ny kristianina no manolotra, miaraka amin’ny mofo sy ny divay ho an’ny Eokaristia, ny fanomezan’izy ireo mba hozaraina amin’ireo izay ao anatin’ny tsy fahampiana. Ity fomba fanangonana (rakitra)[38]ity, mitohy hatramin’izao, dia nalaina avy amin’ny ohatra nomen’i Kristy izay nanjary mahantra mba hampanankarena antsika[39] :

Ireo izay manankarena sy izay te hanao, dia nanome araka izay noeritreretin’ny tenany avy ; izay voangona dia napetraka teo amin’ izay nitarika, ka izy io no nanampy ny kamboty sy ny mananotena,  ireo izay tsy manana antom-pivelomanana noho ny aretina na antony hafa, ny voafonja, ny mpifindra monina, ary amin’ny teny indraim-bava dia hoe : novonjeny daholo ireo izay tao anatin’ny tsy fahampiana[40].

Loharano ôfisialy ↗