Ny lamesan’ny taonjato nifandimby
Laharana 1347 amin’ny Katesizy
Moa tsy io ihany no fizotran’ny sakafon’ny Pakan’i Jesoa nitsangan-ko velona niarahany tamin’ny mpianany ? Niaraka teny an-dalana sy nanazava ny Soratra Masina tamin’izy ireo Izy, avy eo, nony nipetraka hiara-misakafo tamin’izy ireo, dia nandray ny mofo Izy, notsofiny rano, nozarazarainy ary nomeny azy ireo[35].