I. Ny Eokaristia – loharano sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana
Laharana 1324 amin’ny Katesizy
“Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo” ny Eokaristia[2]. “Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-apôstôly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika”[3].