Finoana sy Batemy
Laharana 1253 amin’ny Katesizy
Sakramentan’ny finoana ny Batemy[53]. Mila ankohonan’ny mpino anefa ny finoana. Tsy misy afa-tsy amin’ny finoan’ny Fiangonana ihany ny mpino tsirairay no afaka mino. Ny finoana izay ilaina amin’ny Batemy dia finoana tsy lavorary sy tsy matotra, fa fanombohana ihany izay ilaina hitombo. Ny katekomena na ny mpiantoka azy dia anontaniana hoe : “Inona no angatahinareo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ? Dia valiany hoe : Ny finoana !”