Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana
Laharana 1243 amin’ny Katesizy
Ny akanjo fotsy no ampisehoana an’ohatra, fa ny vita batemy dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) : natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy. Ny jiro, arehitra amin’ny jiron’ny Paka, dia midika fa i Kristy no manazava ny zazavao amin’ny finoana. Ao amin’i Kristy, ireo vita batemy, no “fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5,14)[42].
Tonga zanak’Andriamanitra ao amin’ny Zanany Lahitokana amin’izay ilay vao vita batemy. Afaka manambara ilay vavaky ny zanak’ Andriamanitra izy : ny “Rainay”.