IV.Aiza no mankalaza ?
Laharana 1193 amin’ny Katesizy
Ny alahady, “Andron’ny Tompo”, no andro lehibe indrindra fankalazana ny Eokaristia, satria io no andron’ny Fitsanganan-ko velona. Andro soa indrindra amin’ny andro iangonan’ny mpino amin’ny fankalazana litorzika, andron’ny fianakaviana kristianina, androm-pifaliana sy fialan-tsasatra amin’ny asa. Io no “fototra sy votoatin’ny taona litorzika manontolo”[71].