Ny fotoana litorzika
Laharana 1165 amin’ny Katesizy
Rahefa mankalaza ny misterin’i Kristy ny Fiangonana, misy teny iray izay manoritra ny fivavahany: “Anio!”, avy amin’ny akon’ny vavaka izay nampianarin’ny Tompony[39] azy sy ny antson’ny Fanahy Masina[40]. Io “ anio” an’Andriamanitra velona io izay iantsoana ny olombelona hiditra ao no “Oran’ ”ny Pakan’i Jesoa izay mamakivaky sy mitondra ny tantara manontolo :
Voavelatra eo amin’ny fisiana manontolo ny fiainana ary heniky ny hazavana lehibe ny rehetra ; ilay Fahazavana avy any atsinanana dia manenika an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, ary Ilay izay “talohan’ny kintana fitarik’ andro” sy talohan'ny zava-misy rehetra eny an’habakabaka, tsy mety maty sy tsy manam-petra, ilay Kristy Lehibe dia mamirapiratra eo amin’ny zavatra rehetra mihoatra noho ny masoandro. Izany no antony, ho antsika mino Azy, ipoiran’ny andron’ny fahazavana, lava, mandrakizay, izay tsy mety maty : ny Paka mistika[41].